1 Haleloia. Mider an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Mider Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.

2 Midera Azy noho ny asany lehibe; Mider Azy araka ny haben'ny voninahiny.

3 Mider Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Mider Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.

4 Mider Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Mider Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

5 Mider Azy amin'ny kipantsona maneno; Mider Azy amin'ny kipantsona tsara feo.

6 Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.
